MINISTRA ASSOUMAVOU ELIA BEATRICE : Nitondra fanampiana sy fitaovana ho an’ny faritra Boeny tamin’ny alalan’ny fitondram-panjakana

Tsy nanadino ny vahoakan’i Mahajanga ny fitondram-panjakana. Mitombo isan’andro ny tahan’ny olona tratran’ny valanaretina Covid-19 eo anivon’ny faritra Boeny. Manoloana izany dia tonga tany Mahajanga ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Rtoa Assoumacou Elia Béatrice, hijery sy hanome tanana ny “Centre Régional de Commandement Opérationnel Boeny” na CRCO  sy ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fanatsarana ny paikady ho fiarovana ny vahoakan’ny faritra Boeny. Tsy tonga tanam-polo kosa anefa izy fa nitondra fanampiana maro toy ny fanafody, tambavy CVO, bodofotsy ary kidoro natao handraisana an-tanana ireo izay marary ny covid-19.

Ny talata 21 jolay 2020 no natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny CRCO Boeny ireo fanomezana ireo. Ny Préfét an’i Mahajanga sy ny Lehiben’ny Faritra Boeny Mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah ary ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka no nisolotena ny CRCO Boeny nandray ireo fitaovana voalaza etsy ambony ireo. Ankoatra ny fanomezana ireo fitaovana dia nisy ihany koa fidinana ifotony no tanterahan –dRamatoa Minisitra sy ireo manam-pahefana avy ao an-toerana hijerena ireo toerana vaovao homanina handraisana ireo izay mety ho azon’ny valan’aretina Covid-19. Tsy adinon-Ramatoa Minisitra ihany koa ny nanentana ny isam batan’olona ny mba hanaraka ny fepetra rehetra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ka hoy indrindra izy tamin’izany, “Miangavy antsika vahoakan’i Mahajanga milela- paladia antsika mba hanaraka ireo fepetra sy ireo toro-marika atolotry nyf itondram-panjakana fa fitiavana antsika, fiarovana ny fahasalamantsika, fiarovana ny aintsika mianakavy no antony anaovana izany rehetra izany”.

Vous aimerez aussi