AMBANIDIA : Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva

Velon-taraina ny mponina eny Ambanidia izay monina eo anelakelan’ny tsena sy ny paompy manoloana ny afitsoky ny mpivarotra amin’ny « Epicerie » iray eny an-toerana.

Raha ny fanazavan’ny mpitaraina dia na aorian’ny amin’ny 12 ora aza, ary hatramin’ny 7 ora latsaka hariva eo mihitsy, dia mbola mangalatra mivarotra ihany. Efa hatramin’ny fotoana nihibohana hatramin’izay koa fa tsy vao izao ihany. Manohy ny fivarotana foana, mandondona eo amin’ny vavahady ny mpividy fa ny tsena mody akatony. Rehefa misy polisy na ilay mpijery ireny dia manao be saina be izy ireo manambany sy mody mitapy fotsiny, izany hoe, mody manasa lamba, mahandro sakafo, maniraka mpitsikilo,…, hoy hatrany ireo matahotra ny mety ho fiantraikan’izany fivarotana an-tsokosoko izany ao anatin’izao fipariahana valan’aretina izao.

Tena matahotra mafy ny ho mety fihanaky ny Covid 19 amin’ny ataon’ity fivarotana ity izahay, hoy hatrany ny fitarainana, ka mangataka fanaraha-maso sy fepetra hentitra avy amin’ny tomponandraikitra.

Vous aimerez aussi