CORONAVIRUS : 395 indray no voa, 3 no maty

Miisa 395 indray ny olona voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Ny 356 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. 23 tany Atsimo Andrefana (Toliara). 7 Matsiatra Ambony (6 Fianarantsoa ary 1 Lalangina). 5 tany Itasy (Arivonimamo). 1 tany Boeny (Mahajanga). 1 tany Atsinanana (Toamasina). 1 tany Analanjirofo (Vavatenina), ary 1 kosa tsy voafaritra.
7548 izany ny voa hatrizay.

Niampy 3 indray ny maty, izay samy teto Antananarivo avokoa. Miisa 65 izany ireo lavo hatrizay.

498 kosa no sitrana, ka ny 427 dia tany an-tokantranony avokoa no nanao fitsaboana. 4286 izany ireo sitrana hatrizay.

3197 kosa ireo mbola tsaboina, ka 79 ireo manana fahasemporana.

Miisa 33 943 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

Misondrotra ny fanafody

Samy manao izay ho afany ny rehetra amin’ny fiadiana ity valanaretina ity. Rehefa tsy mipaka any amin’ny vahoaka rehetra ihany ny vola fanampiana dia tokony hojerena manokana ny vidim-panafody satria miakatra izaitsizy izany.

Manao antso avo amin’izany ireo vondrona misahana ny zon’ny mpanjifa, satria sahirana avokoa na ny tsy marefo.

Raha misy tokoa ny fitsimbinana ny vahoaka dia tokony hisy ny fifampiraharahan’ny Holafitry ny farmasiana sy ny Fitondrana.

Miezaka ny manao sarontava ny rehetra nefa tsy ampy ho fanafody izany.

Vous aimerez aussi