Nitrangam-pahafatesana miisa 3 noho ny tsimokaretina coronavirus indray teto Antananarivo, araka ny tatitra ofisialy androany. Miisa 62 izany no maty hatrizay.
104 kosa no voa vaovao, ka 71 no teto Antananarivo ary 33 no tao Mahajanga. Miakatra 7153 izany no voa hatrizay.
290 kosa ireo sitrana, ka ny 254 dia nanao fitsaboana tany an-trano. Miisa 3 788 izany no sitrana hatrizay.
3 303 kosa ireo mbola tsaboina ka 72 ireo manana fahasemporana.
Mitontaly 33 138 moa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.
Samy mitsabo
Samy miezaka manao fitsaboana ny rehetra na ny eny amin’ny hopitaly na ny isan-tokantrano. Eny, na ireo ahitana soritraretina madinidinika aza dia manao fiarovantena avy hatrany satria ao anatin’ny ririnina isika ka mitranga ny tazo sy ny sery.
Tsy misy ny miandriandry fa avy hatrany dia mamonjy farmasia na dia nisondrotra azy ny vidim-panafody eny, satria ny fahasalamana no voalohan-karena.
Tsy vitsy koa no mionona amin’ny raokandro samihafa satria tsy mahatakatra ny fanafody vazaha ka ny nentim-paharazana ihany no atao.
Tsy tokony hadino mandrakariva anefa ny fiarovana voalohany : ny sarontava sy ny fisasan-tànana ary ny fielanelanana iray metatra.


