Na hohanina daholo aza ny karazana legioma sy voankazo ary atao daholo ihany koa ity karazana raokandro rehetra ity dia zava-poana rehefa tafahoatra ny tahotra ny aretina Covid 19, hoy ny mpitsabo iray amin’ny alalan’ny fanoran-drantsana na irony antsoina hoe “reflexothérapie” irony.
Isan’ny mampihena hery fiarovana vetivety ny tahotra, raha ny fanazavany, satria miteraka rarintsaina rehefa mandona ny rentsika voatokana amin’izany na ilay antsoin’ny olona hoe “nerf de stress”.
Arahina ny fepetra saingy tsy tokony ho koditra kosa raha sanatria nahatsiaro ho nisy fotoana tsy nahatandrina izany.
Hevero ho toy ny fahavalo natao ho faty io, hoy ny torohevitra, ka ny fanafihana azy amin’ny alalan’izay fanarahana fepetra izay sy fampiakarana hery fiarovana amin’ny zavatra hohanina isan’andro efa natoro antsika no handresena azy. Ilaina ny mihinan-javatra ahitana ny otrikaina sy vitaminina rehetra saingy tokony ovaovaina isan’andro mba hisy ny karazany rehetra.
Ezaho mba hisy loko miisa 3 fara fahakeliny eo am-bilia, hoy kosa ny Dokotera Marius Ramaroson, manam-pahaizana manokana momba ny fameloman’aina.


