Mangataka ny mba ahafahany mivoaka sy mirihariha ety ivelany amin’izay ireo mpiasa miisa 40 mbola tavela ao amin’ny orinasa Ambatovy any Toamasina.
Efa ho 4 volana mantsy izy ireo izao no nahiboka tao an-toerana ka ho an’ireo lasibatry ny Covid 19 dia efa sitrana izy ireo raha nisy koa ireo tsy narary saingy tratra ilay fepetra ara-pahasalamana ka tsy afaka nivoaka intsony ary mihitsoka tanteraka.
Misy amin’izy ireo anefa no efa tratry ny “chomage” teknika ary efa tsy nandray karama intsony nandritra ny fihibohana. Ireo vady aman-janany any ivelany eo an-daniny efa saika voaroaka amin’ny trano fonenany avokoa, hoy ihany ny vaovao koa manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo.
Nomarihin’ireo mpiasa moa fa misy amin’ireo mpampiasa sasany izay tafajanona ao Ambatovy no manao teny tsy voahevitra amin’izy ireo ihany koa ka tsy zakany intsony.


