Feno 4 volana omaly ny nanambarana tamim-pomba ôfisialy ny fisian’ny tsimok’aretina Covid19 teto amintsika. Tsy nitsaha-niakatra ny salan’isan’ireo olona voa nandritra izay 4 volana mahery izay.
Nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahafahan’ny isan-tokantrano mihiboka 100 % noho ny fitadiavana ny hanin-ko hohanina isan’andro.
Efa tena mavesatra loatra ihany koa hoy izy ny olana ara-tsosialy sy toekarena lalovan’ny firenena noho izany ny fitandreman’ny tsirairay sisa no tokony hatao hentitra sy mafy.
Notsindriany manokana tamin’izany ny tokony hanaovana arovava mandrakariva. Ny fanajana ilay elanelana 1 metatra, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika ary ny fijanonana an-trano fa tsy mandeha mitsidika namana na fianakaviana.
Nomarihiny manokana moa na izany aza fa mbola betsaka ireo olona tsy manaja ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika ka tokony hahatsiaro tena. Nasiany resaka manokana ireo mponina teny amin’iny faritra Fenoarivo iny tamin’ny harivan’ny 26 Jona lasa teo.
Mbola betsaka ireo ankizy milalao eny amin’ny arabe, misy ihany koa ireo tanora mifampisakambina etsy sy eroa ankoatra ireo tsy manao arovava.


