4 indray no namoy aina, araka ny tatitra ofisialy androany, ka 3 Antananarivo ary 1 tany Antsiranana. 59 izany no lavo hatrizay.
200 kosa no isan’ny voa, ka mbola maro ny eto an-drenivohitra satria nahitana 163. Nisy koa tany amin’ny Faritra hafa, toa an’Analanjirofo 11, Diana 1, Ambatondrazaka 5, Itasy 2, Atsinanana 6, Mahajanga 11, Atsimo Andrefana 1.
Tafakatra 7 049 izany no voa hatrizay.
Miisa 159 kosa ny isan’ny sitrana androany ka ny 137 dia nanao fitsaboana tany antokatranony avokoa. 3 498 izany no sitrana hatrizay.
3 492 kosa ireo mbola tsaboina ka 97 no manana fahasarotana ara-pahasalamana.
Mitontaly 32 851 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.
Tsy mbola rahampitso
Mbola mirongatra hatrany ny tarehimarika na dia eo aza ny fihenana kely dia kely. Midika fa tsy mbola ho rahampitso ny fitsaharan’ny valanaretina.
Rehefa zohina anefa ny andavanandron’ny mponina eto andrenivohitra dia mifanaretsaka toy ny mahazatra ihany na dia ny tapak’andro maraina ihany aza no azo ivoahana. Manao izay ho afany amin’ny fitadiavana ny maro na tsy misy aza ny fitaterana sahaza ny vola.
Azo lazaina hatrany fa sadasasa ny fihibohana satria ireo ambara ho marefo ihany no sahirana na dia efa mipaka amin’ny rehetra aza ny fahavoazana.
Tsy maintsy kajiana hatrany koa anefa ny fahasalamana amin’ny fanafody tsotra indrindra dia ny sarontava.


