“Tsy an-tratra intsony ny rano fa efa an-tenda raha ny fipariahan’ny Covid 19 eto anivon’ny Faritra Boeny” hoy ny nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Mpisolo toerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah, ny alakamisy 16 Jolay lasa teo.
Araka ny tarehimarika ofisialy, dia miisa 19 ireo olona mitondra ny Covid 19 ao Boeny ankehitriny.
Manoloana izany toe-javatra misy ara-pahasalamana izany dia miara-miasa ny Faritra Boeny sy ny Vokovokomena ao anatin’ny faritra sy ny distrikan’i Mahajanga I. Mitsofotsofoka eny anelankelan-trano rehetra eny ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Vokovokomena, hanaitra sy hampanaja ireo olona izay mbola variana, ka tsy manaraka ireo fepetra rehetra tokony atao amin’ny ady amin’ny fipariahan’ny Covid 19.
Nampahafantatra ihany koa ny Lehiben’ny Faritra fa manatanteraka famendrahana fanafody eny anivon’ireo fokontany ny ekipan’ny Foibem-paritry ny Rano fidiovana sy Fanadiovana miaraka amin’ireo mpamonjy voina na Pompier ao amin’ny Kaominin’i Mahajanga sy ao amin’ny Faritra Boeny. Ka ireo fokontany voamarina fa be olona tratran’ny Covid19 no atao voalohany sy vaindohan-draharaha amin’izany, hoy ny vaovao avy any an-toerana.


