360 indray ny isan’ny olona voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany.
Catégorie : Samihafa
RAHARAHAM-PIRENENA : Mamofompofona fipoahana lehibe
Mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Eo ny krizy ara-toekarena, fa ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa mandindona mafy. Tsy voafehin’ny fitondrana ny fitantanana sy ny fifehezana ny firenena.
RMDM : Mitaky ny handravana ny governemanta
Nanao fanambarana tetsy amin’ny birao foiben’ny mpanohitra tetsy Bel’Air, ny vovonana avy amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM.
CORONAVIRUS : Betsaka ihany na nihena aza !
219 no isan’ny tranga vaovao androany. Mbola betsaka izany na dia somary nihena aza ny tarehimarika raha ampitahana tamin’ny andro vitsivitsy lasa.
HARRY LAURENT RAHAJASON : Nolavin’ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjy maika azy
Omaly no niakatra fitsarana teny Anosy ny ministry ny serasera teo aloha no sady mpikambana tao amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara na HVM, atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, noho izy voalaza fa tao ambadiky ny hetsika nataona andian’olona teny Ambohipo, ny herinandro lasa teo, izay nitaky ny hamoahana ny dokotera Berija.
NY ANTIOKIA : Hitory ny Filazantsara sy hampandoroso ny Fiangonana
– Ny Antiokia dia antoko mpihira ara-pilazatsara niforona tamin’ny 12 Novembre 2019 ary namoaka ny rakitsary voalohany mitondra ny lohateny hoe “Satriko foana” ny 14 Jolay 2020.
GROUPE BEMANANA : Lahatsoratra masina no atao hira hanabeazana
Miavaka ! Tsy misy foronina ireo tononkiran’ny Groupe Bemanana fa ny lahatsoratra masina voarakitra ao anatin’ny Baiboly avokoa no arindrany hanjary taokanto hanana endrika mozika kanto voaravaky ny dihy tsotra, mihaja, mendrika nefa kanto.
MPANDRAHARAHA MALAGASY : Lasa ifaninanan’ny fitondram-panjakana
Maro ny orinasa amina sehatra isan-karazany tafatsangan’ny fitondram-panjakana vetivety teo, tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao izay rehefa dinihina dia lasa mifaninana amin’ireo orinasa tsy miankina isan-karazany kanefa dia fanamby napetraky ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, ny hoe hanohana ny mpandraharaha Malagasy.
AMBANIDIA : Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva
Velon-taraina ny mponina eny Ambanidia izay monina eo anelakelan’ny tsena sy ny paompy manoloana ny afitsoky ny mpivarotra amin’ny « Epicerie » iray eny an-toerana.
MINISTRA ASSOUMAVOU ELIA BEATRICE : Nitondra fanampiana sy fitaovana ho an’ny faritra Boeny tamin’ny alalan’ny fitondram-panjakana
Tsy nanadino ny vahoakan’i Mahajanga ny fitondram-panjakana.
