RMDM : Mitaky ny handravana ny governemanta

Nanao fanambarana tetsy amin’ny birao foiben’ny mpanohitra tetsy Bel’Air, ny vovonana avy amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM.

Araka ny fanambarana nataon’ny filoha lefitry ny RMDM  avy any Toliary, ny pasitera Tsarahame Edouard, dia mangataka ny handravana ny governemanta misy ankehitriny ity vovonana ity  ary mitaky ny hanangana ny governemantan’ny fampiraisana sy ny fanavotam-pirenena faran’izay haingana, mba hanavotra ity firenena ity, fa efa latsaka an-katerana sy latsaka an-davaka ny firenena, hoy izy.

Miha-mahantra ny vahoaka Malagasy. Sahirana ny mitady ny hohanina anio izy ireo. Ny vahoalana amin’ity valan’aretina ity tsy hitan’ny fanjakana, fa toa mitombo isan’andro ny maty sy mitondra ny tsimokaretina. Tsy mahavita azy ity governemanta ity, hoy hatrany ny pasitera, ka takian’izy ireo ny hananganana hainganana ny governemantan’ny fampiraisana. Efa nilaza ihany koa ny RMDM fa tsy mahavaha olana izao fitondra izao, ka tokony hametram-pialana.

Mangataka ny hery velona rehetra misy eto an-toerana ny RMDM, na antoko politika, na fikambanana samy hafa, ny fiaraha-monim-pirenena, ny tafika Malagasy izay aro sy tandroka aron’ny vozona ary indrindra ny vahoaka malagasy  mba hijoro manoloana izao krizy ara-pahasalamana lalovan’ny firenena izao, hiaraka hitady vahaolana sy hanarina ny firenena, hoy hatrany ny RMDM.

Vous aimerez aussi