219 no isan’ny tranga vaovao androany. Mbola betsaka izany na dia somary nihena aza ny tarehimarika raha ampitahana tamin’ny andro vitsivitsy lasa.
Na dia Antananarivo aza no ivon’ny tsimokaretina, izay nisian’ny 148 androany dia efa miparitaka amin’ny Faritra maro dia maro izy ity.
Vakinankaratra nisy 29 androany, Matsiatra Ambony 14, Atsimo Andrefana 2, Atsinanana 2 ( Toamasina sy Mahanoro), Analanjirofo 1( Vavatenina), Diana 3, Boeny 5 (Mahajanga), Sofia 1 ary tsy voafaritra kosa ny 14 sisa.
Miisa 498 kosa ireo sitrana ka ny 444 no nanaraka fitsaboana tany an-tranony.
Hajao ny fahadiovana
Raha omena andraikitra ihany ny eny ifotony, toy ny fokontany dia tokony ho hentitra tanteraka ny fanaraha-maso ny fahadiovana eny.
Anisan’ny mampahazo vahana ny fiparitahan’ity tsimokaretina ity manko ny fihinanana hani-masaka eny amoron-dàlana eny.
Asa na firy ny mpivarotra kafe sy dite no manasa ny kaopiny amin’ny savony. Ifandimbiasana anefa ireny fitaovana ireny ka mora mamindra aretina raha sanatria ratsy sasa.
Toy izany koa ny mpivarotra composé sy hani-masaka hafa.
Dia aiza ny tompon’andraikitra eny amin’ny Fokontany mba hanara-maso aza ireny ? Isaky ny vanim-potoana inona vao miasa ny « Loharano » ?


