Omaly no niakatra fitsarana teny Anosy ny ministry ny serasera teo aloha no sady mpikambana tao amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara na HVM, atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, noho izy voalaza fa tao ambadiky ny hetsika nataona andian’olona teny Ambohipo, ny herinandro lasa teo, izay nitaky ny hamoahana ny dokotera Berija.
Efa nilaza ihany koa ny mpisolovava sy ny fianakavian’ity ministra teo aloha ity, fa rehefa tsy lany tamin’ny fifidianana ny kandidà izay notohanany dia nijanona tsy nanao politika intsony izy ary nitsabo tena taorian’izay nohon’ny tsy fahasalamana nahazo azy.
Izany no nahatonga ny mpisolovava sy ny vady aman-janany nangataka fahafahana vonjy maika ho azy, satria, tsy nanao na/sy namporisika olona nanao fitakiana intsony io ministry ny serasera teo aloha io.
Ny alarobia teo no niakatra fitsarana izy ary nanotrona azy teny ny fianakaviany sy ny vady aman-janany, saingy, nolavin’ny fitsarana ny fanagatahana fahafahana vonjy maika azy. Andrasana indray ny mety ho tohin’ity raharaha ity.


