Iza moa i Antiokia, ary oviana no niforona ary inona no naharesy lahatra anareo ?
– Ny Antiokia dia antoko mpihira ara-pilazatsara niforona tamin’ny 12 Novembre 2019 ary namoaka ny rakitsary voalohany mitondra ny lohateny hoe “Satriko foana” ny 14 Jolay 2020. Resy lahatra izahay ny amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny famonjenna lehibe nataony ary indrindra hanatanteraka ilay voalaza ao amin’ny Baiboly manao hoe: “mandehana eran’izao tontolo izao ka mitory ny filantsara… sy ny hoe Midera azy amin’ny feo sy zava-maneno rehetra”.
Inona no nahatonga an’ilay anarana hoe NY ANTIOKIA ?
– Maro be ny anarana saika ho safidinay saingy io no naharesy lahatra sy tsy mbola misy mitondra. Ny antony nahatonga anay nifidy an’io dia satria anarana tanàna voalaza ao amin’ny Baiboly io. Tany amin’io toerana io no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe “KRISTIANA”. Araka zay voasoratra ao amin’ny ASA 11: 26.
Manao ahoana kosa ny eo amin’ny lafin’ny hira ary iza no tena mpamorona ?
– Eo amin’ny lafiny hira aloha hatreto dia miezaka manao ny gadona rehetra izahay ary tahaka ny mpihira rehetra dia misy ny hira milamina sy mihetsika izay entina hampifaliana ny zanak’Andriamanitra satria isika zanak’Andriamanitra dia tena afaka mifaly tokoa. Ny tena tanjonay anefa dia ilay tononkira mihitsy no tianay hiantefa any amin’ny fon’ny mpanaraka anay fa tsy ho variana hijery anay hihira fotsiny ihany.
Eo amin’ny lafiny mpamorona hira kosa dia manana 3 izahay dia i Tonton Laurent RAKOTOMAMONJY sy i Mme Eulalie RAJOSIA sady mpandrindra ny tarika ary eo ihany koa Atoa Jules RANDRIAMANANTSOA sady vadin’ny mpihira ao anatin’ny Tarika ihany. Fa eto dia hisaorana be dia be an’i Laurent RAKOTOMAMONJY ny tamin’ny fahavononany ka nahatotosana ny hira rehetra Album laharana voalohany sy faharoa zay efa vita audio avokoa ary efa eo am-panatontsosana ny “clip” Ny Antiokia amin’izao fotoana izao. Saingy noho ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia tsy mbola afaka nanohy an’izany izahay ankehitriny.
Iza no mpitarika ny antoko mpihira ?
– Zico RAJOSIA no mpanorina ny tarika no sady anisan’ireo mpihira ihany. Ary Mme Eulalie RAJOSIA sy Mme Ninie ANDRIAMBELO no mpandrindra amin’ny ankampobeny.
Misy firy ianareo no mpikambana ao anatiny?
– Miisa 14 no tena tokony ho izy ao anatin’ny tarika:
- Mpihira miisa 4 : Sopranoe – Alto – Tenor – Baryton (Bass)
- Mpitendry kosa dia miisa 6 : Clavier, batterie, guitare sns
- Mpandrindra miisa 2,
- Tompon’andraikitry ny zava-maneno miisa 2 (Raha toa ka izahay no miantoka ny SONO)
Hafatra fohy ho an’ireo mpankafy.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe izahay noho ny fitantanany ka nahatanteraka izao fanirinay izao dia ny hitory ny hatsarany amin’ny alalan’ny Hira. Dia ho tanteraka aminay tokoa anie lay teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo”. Ny hafatra fohy dia raha misy fiaraha-miasa tianareo ho atao miaraka amin’ny Ny Antiokia dia aza misalasala miantso anay mivantana. Ny tena tanjonay dia tsy ny FITADIAVAM-BOLA fa kosa ny hitory ny filazantsara ary ny hampandroso ny Fiangonana na Sampana izay mikasa ny haka anay. Raha tianao ny hifandray aminay ihany koa dia aza adino fa azonao atao ny mifandray aminay na amin’ny alalan’ny antso na koa hafatra miafina: Youtube: Ny antiokia; Site web: Ny-antiokia.com na ny-antokia.com
Mankasitraka tompoko ary manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo rehetra.


