GROUPE BEMANANA : Lahatsoratra masina no atao hira hanabeazana

Miavaka ! Tsy misy foronina ireo tononkiran’ny Groupe Bemanana fa ny lahatsoratra masina voarakitra ao anatin’ny Baiboly avokoa no arindrany hanjary taokanto hanana endrika mozika kanto voaravaky ny dihy tsotra, mihaja, mendrika nefa kanto. Efa ato anatiko avokoa ireo feon-kira hoentina mandrafitra ireo lahatsoratra masina hanjary mozika tsara rindra, hoy i Bemanana nanamafy izany.

Hamerina amin’ny laoniny sy hanabe

Hita sy tsapa amin’ireo rindran-tsary sy hira mikorisa eny anivon’ireo fampielezam-peo sy sary fa maro amin’ireo hiran’ireo mpanakanto sy ny soradihy hasehon’izy ireny no mamoafady sy tsy mirakitra fanabeazana na hafatra mahasoa, hoy i Bemanana. Mifanohitra tanteraka amin’ny voarakitra ao anatin’ny tenin’ny Soratra Masina izany ka mila hahitsy sy harenina, hoy hatrany ny lehilahy.

Ho an’ny groupe Bemanana, « fitafy feno » azo adika tsotra amin’ny hoe : Mihaja, maotina ary mendrika ho voninahitr’Andriamanitra no fianjaika ho azy ireo rehefa miangaly ny kanto an-kira. Mifanaraka amin’izany hatrany ihany koa ny soradihy mandravaka izany. Ampahany amin’ireo gadona maro lalaovin’ny groupe Bemanana ny sega, reggae, sigôma, dombolo, sns. Ireo rehetra ireo, samy nasiana fanovàna avokoa mba ho sahaza sy hifanandrify ary tsy hivaona amin’ny hira mitaiza fanahy izay jarian’i Bemanana.

Ankehitriny, manodidina ny 200 mahery ireo hiran’ny groupe Bemanana. Ankoatra ny fitoriana sy fiderana an-kira ravahana dihy, tsy sasatra miezaka mitondra fanabeazana amin’ny fampahafantarana ny tsara sy ny ratsy raiketin’izao fiainana fandalovana izao i Bemanana. Amporisihan’ny groupe Bemanana hatrany ihany koa ny isam-batan’olona hifikitra mandrakariva amin’ilay Ray Mpahary izao tontolo izao. Raha fintinina, ny mahasoa sy ny mahafinaritra no hatolotr’izy ireo ho an’ny sokajin’olona rehetra. Anisan’ireo hira efa vita rakitsary tazana eny amin’ny fahitalavitra ny « Miravoravoa ».

Vous aimerez aussi