CORONAVIRUS : Antananarivo : 6 no maty, 231 ny voa vaovao

360 indray ny isan’ny olona voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Ny 231 tamin’ireo dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Ny tany Itasy 5, Boeny 14, Matsiatra Ambony 11, Atsimo Andrefana 3, Atsinanana 2, Sofia 3 ary nisy 1 tsy voafaritra.

6 kosa no namoy aina, izay samy teto amin’ny hopitalin’Antananarivo avokoa. 76 izany ny isan’ireo lavo hatrizay.

Nisy koa anefa ny sitrana izay nahatratra 362 androany, ka ny 299 tamin’ireo no nanao fitsaboana tany an-trano avokoa.

3 143 izany no mbola tsaboina, ka 87 amin’ireo no manana fahasemporana.

36 776 kosa ny tontalin’ny fitiliana vita hatrizay.

Fihibohana tanteraka

Araka ny tatitry ny mpitandro filaminana, izay sady mpanentana eny an-dàlambe eny dia hita fa efa manao sarontava ny 90%-n’ny olona, raha ny eto Antananarivo no asian-teny. Toa tsy mbola mahafapo amin’ny ady anefa izany satria ireo 10% izay tsy mbola manaraka ny fepetra dia mbola loza mitatao eo amin’ny mpiara-monina, noho ny aretina mora mifindra.

Tsy misy afa-tsy ny fihibohana tanteraka tena izy no vaha-olana mahomby amin’ity ady ity. Andrasana izay mety ho fepetra raisin’ny Fanjakana miaraka amin’izay.

Fa hatreto aloha, anaovy ny kasy bosy, sasao ny tànana,…

Vous aimerez aussi