Araka ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitry ny ministra, ny sabotsy lasa teo dia nitombo 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika, nohon’ny fivoaran’ny valan’aretina covid19.
Didim-panjakana noraisana tamin’ireo lehibeana Andrimpanjakana eto amintsika, dia ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, no nandraisana izay « Etat d’Urgence Sanitaire ». Nanomboka ny sabotsy lasa teo, dia mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblika izao hamehana andiany fahafolo izao. Mbola tsy miova ihany koa ireo fepetra efa noraisana hatramin’izay, fa hamafisina izany ary ho hentitra bebe kokoa ny fampiharana izany, hoy ny tatitra voaray.
Marihana, fa anio alahady amin’ny 8 ora dia hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny Praiministra Ntsay Christian.


