CENTRE DE TRAITEMENT COVID-19 : Handray marary 250 manomboka rahampitso alatsinainy

Notokanan’ny filohampirenena Andry Rajoelina, ny sabotsy lasa teo ny ivo-toerana handraisana ireo marary sy mitondra ny tsimokaretina covid-19 etsy Mahamasina, izay nampitondraina ny anarana hoe « Centre de Traitement Covid-19 » na CTC19.

Marary maherin’ny 250 no zakan’ity ivo-toerana ity, ka mpitsabo maherin’ny 150 no hisahana ireo marary tonga eny an-toerana ary manampy azy ireo ny mpitsabo miaramila. Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa vola madiodio an’ny fanjakana malagasy no nanaovana ity ivo-toerana ity.

Araka ny fanazavana voaray, dia ireo olona tena mararin’ity covid-19 ity no horaisana ao an-toerana, fa ireo ahitana na/sy mitondra ny tsimokaretina kosa dia afaka manatona toeram-pitsaboana hafa na manatona hopitaly.

Vous aimerez aussi