Nahatratra 10 104 ny tontalin’ny voan’ny tsimokaretina coronavirus eto amintsika hatrizay, araka ny fanambarana ofisialy androany.
Catégorie : Samihafa
CMC VILLAGE VOARA : Tsy tokony hitondra zazakely ny olona mankeny
Misy amin’ireo olona mahatsapa fa tsy salama tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka no fantatra fa mitondra zazakely na dia hanao fitiliana aza no anton-diany eny an-toerana.
FARITRA AMORON’I MANIA : Na eo aza ny covid-19, mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa fapandrosoana
Mandeha ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana sy ny fotondrafitr’asa ary ny velirano napetraky ny Filoha ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
CORONAVIRUS : Mbola betsaka ny voa, mihena ny fotoam-pihibohana
Mahatratra 395 indray ny isan’ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany. Mbola mitana ny loha laharana hatrany Antananarivo, izay nahitana tranga 269 kanefa nahena ny fotoam-pihibohana.
POLISIM-PIRENENA : “Tsy izahay no tokony atahorana fa ilay aretina”
Aza atao any am-paosy ny arovava, koa rehefa mahita Polisy vao hapetaka haingana, hoy ny hafatry ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena manoloana ny fihetsik’ireo olom-pirenena miatrika izao Covid 19 izao.
FIARAHAMONINA : Mbola misy mihevitra ihany fa angano ny Covid 19
Misy ireo mihevitra fa aretin’ny mpanankarena ity Coronavirus ity, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Richard Ravalomanana.
DEPIOTE MASY GOULAMALY : “Esory i Lalatiana Andriatongarivo ministry ny Serasera fa mpanakorontana”
Amin’ny maha Solombavambahoaka sy amin’ny fijery mahitsy no anaovako izao antso avo sy izao fanambarana izao ho an’Andriamatoa Filoham-pirenana Andry Rajoelina, hoy ramatoa Masy Goulamaly, depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsihombe, faritra Androy, no sady “Présidente de la Commission Genre et Développement”.
MBA HO FITSINJOVANA NY REHETRA : Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?
Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.
CENTRE DE TRAITEMENT COVID-19 : Handray marary 250 manomboka rahampitso alatsinainy
Notokanan’ny filohampirenena Andry Rajoelina, ny sabotsy lasa teo ny ivo-toerana handraisana ireo marary sy mitondra ny tsimokaretina covid-19 etsy Mahamasina, izay nampitondraina ny anarana hoe « Centre de Traitement Covid-19 » na CTC19.
HAMEHANA ARA-PAHASALAMA : Nitombo 15 andro indray
Araka ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitry ny ministra, ny sabotsy lasa teo dia nitombo 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika, nohon’ny fivoaran’ny valan’aretina covid19.
