CORONAVIRUS : Tafakatra 10 000 mahery no voa

Nahatratra 10 104 ny tontalin’ny voan’ny tsimokaretina coronavirus eto amintsika hatrizay, araka ny fanambarana ofisialy androany.

414 ny isan’ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina tamin’ity andro ity. Mbola eto Antananarivo ny 347 amin’izy ireo. 2 kosa tao Matsiatra Ambony, 4 any Atsinanana, 13 Alaotra Mangoro (Ambatondrazaka), 20 Boeny (Mahajanga), 5 Sava, 4 Atsimo Andrefana, 1 Anosy ary 8 Sofia.

2 no namoy aina, ka 1 teto an-drenivohitra ary 1 tany Mahanoro. Tafakatra 93 izany ireo lavo hatrizay.

3 398 kosa ireo mbola tsaboana, ka 103 ireo manana fahasarotana ara-pisefoana.

6 613 ireo sitrana hatrizay satria niampy 353 izany androany.

39 415 ny tontalin’ny fitiliana rehetra vita hatramin’izay.

Samy mandeha, samy…miady !

Atrehina aloha ny ady amin’ny valanaretina satria voalazan’ny manampahaizana fa tsy mbola fihenan’ny fiparitahany izao.

Tsy maintsy atrehina ihany koa ny ady amin’ny hanohanana satria tsy ny rehetra no marefo ka hahazo fanampiana.

Mila arovana ihany koa ny tena na misondro-bidy hatrany aza ny fanafody kanefa maro no tsy mandray karama sy tsy an’asa.

Dia tonga amin’ny hoe samy mandeha samy …miady !

Vous aimerez aussi