CMC VILLAGE VOARA : Tsy tokony hitondra zazakely ny olona mankeny

Misy amin’ireo olona mahatsapa fa tsy salama tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka no fantatra fa mitondra zazakely na dia hanao fitiliana aza no anton-diany eny an-toerana.

Notsindrian’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana fa fihetsika tena mampidi-doza izany. Marary mantsy hoy izy no tiliana sy tsaboina eny an-toerana, ilay zazakely rahateo mety tsy ho voafehy fa handehandeha noho izany, tsy tsara ny hitondrana azy ireny eny an-toerana. Mikasika ireo olona manana fiara indray hoy izy ary amin’ny 11 ora atoandro vao tonga eny an-toerana dia tokony hanaja filaharana hatrany izy ireny. Misy amin’ireny karazan’olona ireny mantsy hoy izy no tonga tara nefa te ho afaka aloha ihany koa ka tsy mahita intsony ireo olona tsy manana fiara milahatra anaty hatsiaka manomboka amin’ny 4 ora maraina eny Andohatapenaka.

Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo olona avy amina orinasa sasany marobe tonga mirodorodo manatona eny an-toerana. Nomarihiny fa ireo misy soritr’aretina ihany no tokony hanatona eny an-toerana ary tsy maika be ihany koa rehefa miandry ny valin’ny fitiliana.

Ho an’ireo izay tena tsy mahandry moa fa mila izany ao anatin’ny 3 na 4 andro dia afaka miantso ny laharana 034 30 871 00 ihany saingy tsy tokony ho lava resaka fa miteny ny anarana sy ny toeram-ponenana dia manontany ny valin’ny fitiliana na efa ao na mbola miandry.

Vous aimerez aussi