Mandeha ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana sy ny fotondrafitr’asa ary ny velirano napetraky ny Filoha ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Isaorana an’atoa Filoha Andry Rajoelina izany, hoy ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania mpisolo toerana, Atoa Herinjakatahina Laza Fanantenana. Nambarany fa amin’izao ady atrehina amin’ny covid-19 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania izao dia mandeha avokoa ny fotondrafitr’asa rehetra ao amin’ny faritra. Araka ny veliranon’ny filohampirenena dia mizotra araka ny tokony ho izy ny asa rehetra, ho ny lehiben’ny faritra. Anisan’izany ny fanamboarana ny kianja sentetika ao Ankorombe Ambositra, ka ny 70 isan-jaton’ny asa no efa vita. Nambaran’ireo tekinisianina mpanamboatra ny kianja fa tanteraka ny velirano nataon’ny filoha. 50 lahy ny mpiasa miasa ao ary ny orinasa Vonjy no manamboatra ny kianja ary ny 90 isan-jaton’ny mpiasa dia avy ao Ambositra avokoa.
Marihana, fa miasa andro aman’alina ireo mpiasa ireo.
Biraon’ny polisy sy fitaterana
Ankoatra izay ary mbola ao Ankorombe Ambositra ihany, dia efa eo am-pamitana tanteraka ny birao sy ny trano fonenana manarapenitra natokana ho an’ny polisim-pirenena ihany koa ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania izay mbola velirano ny filohampirenena io. Eo amin’ny lafiny fanabeazana dia ny 95 isan-jaton’ny fanamboarana ny Epp manara-penitra miorina ao Alakamisy Ambositra no efa vita ihany koa. 3 na 4 volana no fetra fahavitan’ny fotondrafitr’asa, nefa noho ny fihibohana dia nihemotra izany ary ezahina ho vitaina tsy ho ela.
Eo amin’ny lafiny ny fitaterana kosa indray dia ho vita tsy ho ela ny « Gare Routière » na toby fiantsonana izay atao ao amoron’ny Saha Ambositra, ary efa eo am-pamaranana azy ireo mpiasa. Nasiana fanamboarana sy fanatsarana ihany koa ny toerana fialan-tsasatry ny mpandeha izay ahitana ny tobin’ny zandary ary ny fotondrafitr’asa samy hafa amin’izay toerana fialan-tsasatra azy izay, izay miorina ao Ambalamanakana, distrikan’Ambositra manamorona ny lalam-pirenena fahafito.
Ankoatra izay, fa ao amin’ny distrikan’i Manandriana dia ho vita tsy ho ela ihany koa ny hopitaly manarapenitra, izay hopitaly lehibe indrindra hapetraka ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Efa vita ihany koa ny tetezana ao Andrananakova lalam-pirenana faha 35 izay tapaka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ny taona 2018, izay mampitohy ny distrikan’Ambositra sy Ambatofinandrahana
Mitohy hatrany ny fanatsarana ireo tetezana simba ao amin’ny Distrikan’i Fandriana. An-dalam-panamboarana avokoa amin’izao fotoana izao ireo tetezana maromaro ao amin’ny Kaominina Fiadanana, Distrika Fandriana.



