CORONAVIRUS : Mbola betsaka ny voa, mihena ny fotoam-pihibohana

Mahatratra 395 indray ny isan’ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany. Mbola mitana ny loha laharana hatrany Antananarivo, izay nahitana tranga 269 kanefa nahena ny fotoam-pihibohana.

Nahitana 52 koa tany Alaotra Mangoro, Itasy 3, Boeny 10, Diana 9, Sava 5, Analajirofo 3, Atsimo Andrefana ( Vaingandrano) 3, Anosy 6, Sofia 2, Bongolava 29, Ihorombe 1ary 3 tsy voafaritra.

6 kosa no maty tamin’ity andro ity ka ny 3 tany Boeny ary 3 teto Antananarivo. Tafakatra 91 izany ny maty hatreto.

243 kosa no sitrana androany ka ny 196 no notsaboana tany an-trano.

Mbola misy 3 339 kosa no tsaboina ka 88 no manana fahasemporana.

38 587 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Tsy hihiboka indray ve raha…

Mbola mihenahena tsy midina loatra ny tarehimarika, indrindra ny eto an-drenivohitra. Nahena anefa ny fotoam-pihibohana ary navela hiasa ireo karazam-pivarotana samihafa. Asa ‘zay mety ho vokatr’izay eo amin’ny toe-pahasalamana. Mahamety ny maro kosa anefa raha ara-pihariana satria maro dia maro no sahirana na tsy marefo aza. Indrindra mbola takiana hetra samihafa ihany koa.

Andrasana aloha izay mety ho vokatry ny fepetra vaovao izao. Tsy hihiboka tanteraka indray ve raha sanatria ka… !

Vous aimerez aussi