Aza atao any am-paosy ny arovava, koa rehefa mahita Polisy vao hapetaka haingana, hoy ny hafatry ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena manoloana ny fihetsik’ireo olom-pirenena miatrika izao Covid 19 izao.
Aza atao ambany saoka ihany koa rehefa misy Polisy vao mody hakarina. Tsy ny Polisy no te hila vaniny aminao fa tsy tiany ho voan’ny aretina coronavirus ianao ary tsy tiany hanaparitaka izany amin’ny hafa ihany koa. Aza andrasana hisy ho voan’io aretina io ao amin’ny ankohonanao na ny fianakavianao vao ho taitra satria ny nenina tsy eo aloha fa ao afara.
Ady iombonana ny ho fandresena ny Covid 19 ka samia mandray ny andraikitra tandrify azy fa aza mandany andro amin’ny tsikera sy fanomezan-tsiny ny hafa fotsiny, hoy hatrany ny Polisim-pirenena.


