FIARAHAMONINA : Mbola misy mihevitra ihany fa angano ny Covid 19

Misy ireo mihevitra fa aretin’ny mpanankarena ity Coronavirus ity, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Richard Ravalomanana.

Taratra ho vao maika misy mivoy any anaty fiarahamonina sy tambazotran-tserasera izany ankehitriny, indrindra, tao aorian’ny fijoroana vavolombelona nataona olona ambony sy efa olona ambony teto amin’ny firenena. Ireo olona mpitarika fikambanana matanjaka sy mpitondra fivavahana ambony rahateo ihany koa no nalaza ho lavon’ity valanaretina ity tao ho ao. Hita ho mitady ho areti-tsain’ny fiarahamonina Malagasy mihitsy, raha ny taratra eny rehetra eny, ny fiheverana ity aretina Covid 19 ity ho aretin’ny mpanankarena, na sanatria mihevitra tsotra izao fa tsy misy an’izany coronavirus izany akory,  kanefa ilaina ny mampahatsiahy fa efa manodidina ny 8 000 isa ankehitriny ireo efa voa.

Ao ireo manaraka fitsaboana sy efa an-dalam-pahasitranana, ao ireo miady mafy mba tsy ho lavon’ity aretina ity, ao koa anefa ireo lavo izay efa maherin’ny 70 isa ary tsy voatery ho ireo sarangan’olona maha diso hevitra ny mpiara-monina voalaza teo ihany no tratran’izany ka heverina fa antony tokony hampitomboana avo roa heny ny fitandremana.

Vous aimerez aussi