DEPIOTE MASY GOULAMALY : “Esory i Lalatiana Andriatongarivo ministry ny Serasera fa mpanakorontana”

Amin’ny maha Solombavambahoaka sy amin’ny fijery mahitsy no anaovako izao antso avo sy izao fanambarana izao ho an’Andriamatoa Filoham-pirenana Andry Rajoelina, hoy ramatoa Masy Goulamaly, depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsihombe,  faritra Androy, no sady “Présidente de la Commission Genre et Développement”.

Araka ny fanazavany, dia miangavy amin’atoa Filoham-pirenena ny tenany, mba hanala amin’ny fotoana fohy ny Ministry ny Serasera no sady mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, satria dia efa tsy mendrika azy intsony izany toerana izany noho ireto antony manaraka ireto. Voalohany, efa tsy misy mihaino intsony izy. Faharoa, mahasahy manapa-kevitra amin’ny toeran’ny hafa. Fahatelo,  mpanakorontana izy fa tsy mpandamina. Fahaefatra,  tsy mahafantatra ny lanjan’izany atao hoe vahoaka izany ny tenany. Fahadimy,  tsy mba ananany izany atao hoe “fanetren-tena” izany. Fahaenina,  efa im-betsaka ihany koa ny lesoka miseho ataony izay manambara ny tsy fahafehezany ny asany, isaky ny hiseho sy hitafa mivantana amin’ny vahoaka Malagasy ianao atoa Filoham-pirenena ary ny fahafito farany dia tsy nifidy azy ho Filoham-pirenena ny vahoaka Malagasy tompoko.

Ka noho izany Andriamatoa Filoha, raiso tompoko ny andraikitra, fa efa tena latsaka an-katerena tanteraka ny Malagasy, tratran’izao aretina mahafaty manerantany izao no sady tratran’ny fahasahiranana lalina, ka efa tsy mahazaka ny karazan’olona toa azy intsony. Ny tenako depiote Masy Goulamaly, dia manohana ny fanapahan-kevitra izay noraisin’ny Ministry ny Fahasalamana, ny Profesora Ahmad Ahmad sy ireo mpiara-miasa taminy, izay nanao antso avo, ho fitsinjovana ny ain’ireo vahoaka Malagasy ary mankahery ireo mpitsabo rehetra manerana ny Nosy. Farany dia mankahery anao hatrany Andriamatoa Filoha, ary maneho etoana ny fiaraha-miasa aminao izahay solombavambahoaka. ” Ny adidy tsy an’olon-dratsy”, hoy izy.

Mangataka ny hanesorana ny ministry ny Serasera ny depioten’i Tsihombe.

Vous aimerez aussi