Ratolonjatovo Fredson Ernest, no tena anaran’ny tovolahy. Mitondra ny solonarana hoe : Fred’son kosa izy ao anatin’ny habaky ny hira mitaiza fanahy « Vazo evanjelika ».
Catégorie : Samihafa
DEPIOTEN’I MANANDRINA, MIJORO VAVOLOMBELONA : “Voan’ny covid-19 izahay mivady ary sitrana tamin’ny tambavy CVO”
Nijoro vavolombelona ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Manandrina, faritra Amoron’i Mania, atoa Andrianjanahary Fanomezantsoa, fa voan’ny valan’aretina covid-19 izy mivady ary nahasitrana azy ny tambavy CVO izay narahina fizahana sy fitsaboana nataon’ny dokotera, hoy izy.
EID UL ADHA : Nanaraka ny fepetra ara-pahasalamana ny Ahmadyyia
Nanamarika ny fotoam-pahatsiarovana ny soron’i Abrahama, Eid Ul Adha, nanehoany ny haben’ny finoany an’Andriamanitra ny mpino silamo maneran-tany ny zomà lasa teo.
FIKAMBANAN'NY DAHALO RAVA : 7 lahy saron’ny zandary
Rava, vokatry ny fahaiza-manaon’ny zandary tao amin’ny Poste Avancé Faravohitra (Faratsiho), notarihan’i Rakotonanahary Sept sy ireo mpiara-miasa aminy, ary noho ny fiaraha-miasa matotra sy haingana teo amin’ny fokonolona indray ny andian-dahalo mirongo fiadiana, izay nampitondra faisana ny mponina tao anatin’ny distrikan’i Faratsiho sy ireo manodidina azy.
CORONAVIRUS : 100 mahery no namoy aina
105 no isan’ireo olona maty nandritra ny fidiran’ny tsimokaretina coronavirus teto amintsika. 6 indray manko no lavo androany dia tao amin’ny hopitalin’ Andohatapenaka (1), HJRA (1), Anosiala (1), CHU Andrainjato Fianarantsoa (1), Mahajanga (1) ary Ambato Boeni (1).
SECREN ANTSIRANANA : Nalefa « congé » ny androatokon’ny mpiasa
Mihodina saingy manao « service minimum » ny orinasa Secren ao Antsiranana, nalefa « congé payé » kosa ny androatokon’ny mpiasa.
CORONAVIRUS : Manodidina ny 100 ny maty sy ny marary mafy
Tafakatra 99 no namoy ny ainy noho ny tsimokaretina coronavirus. Olona 6 indray manko no lavo androany, izay samy teto Antananarivo avokoa.
ARIVONIMAMO : Voafonja 6 voan’ny Covid-19
Natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin’ireo efitrano 7 ao amin’ny fonjan’Arivonimamo.
VOKATRA TIKO : Nitombo isa indray ny botika manokana
Nisokatra nanomboka ny sabotsy lasa teo ny M Shop Botika etsy Ampasampito, ampitan’ny “gare routière”.
VENTE EN LIGNE : Niditra an-tsehatra ihany koa i Bao Lai
Maro ireo orinasa lehibe eo amin’ny sehatra tsy miankina eto amintsika, no miezaka ny manohy hatrany ny asany araka izay azony hatao ao anatin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao, toy ny Tranombarotra « Bao Lai ».
