EID UL ADHA : Nanaraka ny fepetra ara-pahasalamana ny Ahmadyyia

Nanamarika ny fotoam-pahatsiarovana ny soron’i Abrahama, Eid Ul Adha, nanehoany ny haben’ny finoany an’Andriamanitra ny mpino silamo maneran-tany ny zomà lasa teo.

Nampifanarahana tamin’ny fepetra ara-pahasalamana misy kosa ny fanamarihana nataon’ny vondrona mozilimana Ahmadyyia teto Madagasikara izany ho fanajana ny lalàna velona.

Nanatanteraka ny fomba fanamarihana ny sorona nataon’i Abrahama tamin’Andriamanitra ny vondrona mozilimana Ahmadyyia teto Madagasikara na teo aza ny hamehana ara-pahasalamana diavin’ny firenena ankehitriny. Fianakaviana maherin’ny 2.300 no nisitraka ny fanomezana nozarain’ny vondrona nanerana ny nosy, tany amin’ireo toerana misy sampany toy ny ao Fianarantsoa, Toliara ary Manakara.

Tsy maintsy nasiam-panovana anefa ny fomba nanatanterahana izany tamin’ity taona ity, araky ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mudassir, ho fanajana ny toromariky ny fitondram-panjakana hiarovana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus. « Fanabeazana ny olona hankato ny fahefana misy sy hanara-dalàna mantsy ny foto-pinoana silamo, hahatanterahana ny fandriampahalemana ombam-pitiavana toriny », hoy ity mpitarika fivavahana ao amin’ny Ahmadyyia ity fa tsy natao hitarihana korontana na fanoherana.

Fandatsahana rà biby isan-karazany, hizarana ny nofony amin’ny mpiara-belona no fanao amin’ny Eid Ul Adha, ho fahatsiarovana io sorona nataon’i Abrahama io.

Vous aimerez aussi