Rava, vokatry ny fahaiza-manaon’ny zandary tao amin’ny Poste Avancé Faravohitra (Faratsiho), notarihan’i Rakotonanahary Sept sy ireo mpiara-miasa aminy, ary noho ny fiaraha-miasa matotra sy haingana teo amin’ny fokonolona indray ny andian-dahalo mirongo fiadiana, izay nampitondra faisana ny mponina tao anatin’ny distrikan’i Faratsiho sy ireo manodidina azy.
Nitrangana halatra omby antsokosoko tao Anorana, fokontany Telomirefy Soahiadanana, Kaominina Vinaninony atsimo, Distrika Faratsiho ny alin’ny 29 jolay hifoha 30 jolay teo. Velona ny akoralava, natao ny ara-dia, niarahan’ny fokonolona sy ny Zandary.
Nampandrenesina ny tobin’ny zandary manodidina, ny kaominina sy ny fokontany mba hisakana raha mahita ny omby.
Tratra tao Alakamisy, fokontany sy kaominina ao ihany ireo omby. Ny olona nitondra azy kosa dia nandainga tamin’ireo olona nahatratra fa haka ny taratasin’ireo omby.
Natao ny vela-pandrika sy ny fikarohana rehetra ka noraisim-potsiny tao an-tsena Ambohibary ireo jiolahy sy ireo namany rehetra. Rehefa nosavaina ireo dahalo dia mbola nahatratrarana basy vita gasy roa , bala calibre 12 , lefona, antsibe ary ody gasy izy ireo.
Fomba fiasan’ireto dahalo ireto ny mody manao iraka kely mividy omby ka jirihiny eny an-toerana mihitsy ny omby, ka rehefa tsy mifanaraka dia iverenany alaina antsokosoko. Distrikan’Antsirabe voalohany sy faharoa, Faratsiho no tena toerana fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Maneho fisaorana ny amin’ny fiaraha-miasa matotra iarahana amin’ny fokonolona izay nahazoana izao vokatra izao.


