Nijoro vavolombelona ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Manandrina, faritra Amoron’i Mania, atoa Andrianjanahary Fanomezantsoa, fa voan’ny valan’aretina covid-19 izy mivady ary nahasitrana azy ny tambavy CVO izay narahina fizahana sy fitsaboana nataon’ny dokotera, hoy izy.
Nambarany, fa 25 andro izy mivady no nitsabo tena teto Antananarivo ary rehefa sitrana soamantsara dia nijoro vavolombelona tany amin’ny distrika nahavoafidy azy.
Araka ny nambarany, amin’izao fotoana izao dia manentana sy mampianatra ny olona any an-toerana ny tenany mba hiaro vatana sy ny hafa, fa afaka misoroka tsara ity valan’aretina coronavirus ity isika.
Araka ny fanazavany ihany, mba tsy hiparitahan’ny aretina ao amin’ny distrika dia mitety kaominina ao amin’ny distrika nahavoafidy azy ny depiote amin’izao ary mizara fanafody isaka ny kaominina. Mizara vitamina C ho an’ny be antitra sy ny zokiolona ary ireo marefo ara-pahasalamana ihany koa ny solombavambahoaka amin’izao. Ankoatra izay dia tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana sy legioma izay mampiakatra sy mampitombo ny hery fiarovana ao anaty ihany koa isika, hoy izy.
Marihana, hoy ny depiote fa nandritry ny 7 andro izy mivady no nisotro tambavy CVO ary nanaraka ny fitsaboana sy ny toromarika nomen’ny dokotera. Nahatsara sy nahasitrana azy mivady izany, hoy izy nanamafy.
Araka ny fanazavany ihany koa dia olona roa no voan’ity covid-19 ity tao Manandrina. Rehefa notsaboina nandritry ny 16 andro izy ireo dia efa sitrana soamatsara ihany koa amin’izao fotoana izao.
Nomarihan’ny depiote, fa talohan’ny nahazoany io aretina io dia efa nizara arovava 2 500 izy, ary taorian’ny fahasitranany dia nizara arovava 2 000 indray ary efa voaaro amin’ny covid-19 avokoa ireo olona manodidina azy, raha ny fijoroany vavolombelona nataony hatrany.
Tsy ny aretina no hakana seza
Ankoatra ny aretina covid-19 dia nahitsy fiteny tamin’ireo mpanao politika mpanohitra ihany koa ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa, fa ao anatin’izao ady amin’ny valan’aretina covidy-19 izao, dia tokony hajanona any aloha ny tsikera sy ny kritika samy hafa, fa andao hiara hiady amin’ity areti-mandoza ity isika mpanao politika tsy ankanavaka.
Tokony hanampy ny mpitondra ny mpanao politika fa tsy hitsikera fa efa mihoatra amin’ny tokony ho izy no hataon’ny mpanohitra sy ny zavatra nolazainy amin’izao fotoana izao. Ny fomba fitondrana politika eto amintsika mihitsy no tokony hovaina. Aoka tsy hakana seza fotsiny ny fisian’ny valan’aretina covid-19 eto amintsika, hoy hatrany ny depiote.
Ady amin’ny covid-19 no atrehina amin’izao, ka tokony hifanome-tanana amin’ny fitondram-panjakana ianareo mpanohitra fa tsy hiady na hanohitra be fahatany, fa aorian’ny aretina covid-19 vao samy maneho hevitra politika ny tsirairay ary samy manana ny fitondrany azy, hoy hatrany ny depiote avy any Manandrina.



