CORONAVIRUS : Manodidina ny 100 ny maty sy ny marary mafy

Tafakatra 99 no namoy ny ainy noho ny tsimokaretina coronavirus. Olona 6 indray manko no lavo androany, izay samy teto Antananarivo avokoa.

Mbola nahitana tranga 213 vaovao koa androany, ka 122 teto amin’ny Faritra Analamanga, 4 Itasy, 9 Tsiroanomandidy, 1 Vakinankaratra, 6 Boeny, 11 Maevatanàna, 4 Kandreho, 1 Mandritsara, 1 Port Bergé, 3 Atsinanana, 13 Alaotra Mangoro, 13 Matsiatra Ambony, 6 Atsimo Andrefana, 2 Ambovombe Androy, 2 Tsihombe, 2 Antsiranana I, 4 Ambilobe, 2 Ambanja, 5 Nosy Be ary 2 tsy voafaritra.
Fitiliana miisa 612 moa no nahitana azy ireo.

504 kosa ireo sitrana vaovao, ka ny 390 dia nanao fitsaboina tany an-tranony avokoa. Ny 114 tany amin’ny hopitaly. Miisa 7 117 izany ireo sitrana hatrizay.

3 101 ireo mbola tsaboina ka 102 amin’ireo no manana fahasarotana ara-pahasalamana.

40 000 latsaka kely kosa ny tontalin’ny fitiliana vita hatrizay.

 

 

Vous aimerez aussi