ARIVONIMAMO : Voafonja 6 voan’ny Covid-19

Natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin’ireo efitrano 7 ao amin’ny fonjan’Arivonimamo.

Voafonja 6 tamin’ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ka nandraisana fepetra manokana avy hatrany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Nafindra tao amin’ny «infirmerie» izy ireo, nomena fanafody araka ny fomba fitsaboana na ny “protocole” nomen’ ny Ministera misahana ny Fahasalamana, araka ny fanazavana hatrany. Efa niseho ny tahaka izao tany Toamasina tamin’ny tapatapaky ny volana jona nisiana voafonja 41 tamin’ireo 179 notiliana. Fomba fiasan’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja amin’izao fotoana izao moa ny fanokanana toerana ireo olona vaovao, mba hisorohana ny mety hifindran’ny valanaretina ao anatin’ny fonja misy ireo gadra efa notanana fotoana ela.

Taorian’ny 26 jona ihany koa dia ny endrika fanenan-tsazy nataon’ny Filoham-pirenena.

Vous aimerez aussi