Nisokatra nanomboka ny sabotsy lasa teo ny M Shop Botika etsy Ampasampito, ampitan’ny “gare routière”.
Ao anatin’ny vondron’orinasan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, na ny Tiko moa izy io. Araka izay anarany izay dia ahitana ireo vokatra nampalaza ity vondron’orinasa ity hatramin’izay hatrany izany toa ny yaourt, fromazy, ranom-boankazo…. Nitombo isa indray, araka izany, ny botika manokana ahafahana manjifa ny vokatra.


