Maro ireo orinasa lehibe eo amin’ny sehatra tsy miankina eto amintsika, no miezaka ny manohy hatrany ny asany araka izay azony hatao ao anatin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao, toy ny Tranombarotra « Bao Lai ».
Nandritra izay 23 taona nitsanganan’ny tranombarotra izay, noho ny toe-draharaha iainanan’ny firenena Malagasy amin’ izao fotoana izao, sambany ny nametratrahanay vao andro vitsy monja izay ny « vente en ligne », ahazoana ireo entana lohalaharana amin’ ny kalitao ato aminay miaraka amin’ny « service de livraison », hoy ny Baolai. Hita ao amin’ ny pejy fesiboky “baolai” ny antsipirihany mikasika izany. Maro ny entana vao tonga izay natao nifanandrify hatrany amin’ ny filàna sy ny fahefa-mividy ho an’ny daholobe. Ao ny machine à laver, subwoofer, fahitalavitra fisaka jeyoo, misy manomboka 32″ hatramin ny 65″ misy antoka 1 taona daholo, panneaux solaires mono sy polychristalline, caméra de surveillance à distance,…
Izany moa dia hatao ao anatin’ ny fanajana tanteraka ny fihetsika fiarovana amin’ny valanaretina coronavirus, toy ny fanaovana ny arovava, gel désinfectant, ny fanajana ny elanelana 1 metatra ao anatin’ izany « livraisons » na fanaterana ny entana hatao izany, hoy ny tompon’andraikitra.


