CORONAVIRUS : 100 mahery no namoy aina

105 no isan’ireo olona maty nandritra ny fidiran’ny tsimokaretina coronavirus teto amintsika. 6 indray manko no lavo androany dia tao amin’ny hopitalin’ Andohatapenaka (1), HJRA (1), Anosiala (1), CHU Andrainjato Fianarantsoa (1), Mahajanga (1) ary Ambato Boeni (1).

Miisa 431 kosa ireo voa vaovao, ka 388 teto Analamanga, 13 Alaotra Mangoro ( 6 Ambatondrazaka ary 7 Moramanga), 9 Toliara, 7 Fianarantsoa, 6 Boeny (5 Mahajanga ary 1 Ambato Boeny), 3 tao Ambositra, 2 tao Itasy (Miarinarivo 1 ary Soavinandriana 1), 2 Atsinanana ary 1 tany Sambava. Nahatratra 10 748 izany ireo voa hatrizay.

344 kosa ireo sitrana ka 284 no nanao fitsaboana tany an-trano ary 3 182 ireo mbola tsaboina, izay ny 94 no manana fahasarotana.

Mitontaly 43 392 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Mitombo ny tarehimarika

Tsy mitsaha-mitombo ny tarehimarika, indrindra ireo voa sy nindaosin’ny fahafatesana. Ireo moa ny tarehimarika ofisialy nomen’ny Fanjakana fa mbola mihoatra ireo ny isan’ny olona voa sy namoy aina.

Ireo voatily ara-pomba ofisialy ihany manko no voarakitra ary toy izany koa raha nindaosin’ny fahafatesana izy ireny.

N’inona n’inona anefa mitranga dia ny fiarovan-tena ihany no fanafody voalohany. Tsy voafetran’ny fitadiavana manko ny tsimokaretina satria tsy maintsy mitady izay harapaka ny ankamaroan’ny olona ka tsy maintsy mifamoivoy eny.

Vous aimerez aussi