Resy lahatra tanteraka ny vahoakan’Imeritsiantosika, fa hitondra fampandrosoana betsaka ho an’ny distrika sy ny kaominina, ny faritra Itasy, ny fametrahana ny tetikasan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina momba ny Tanamasoandro, izay hatao eny an-toerana.
Catégorie : Samihafa
ANOSIBE AN’ALA : Sambany hahazo polisim-pirenena ny distrika
Sambany teo amin’ny tantaran’ny distrikan’Anosibe An’Ala, faritra Alaotra Mangoro no hahazo polisim-pirenena.
AMBOHIDRATRIMO : Lalan-tany 1,200 km hatao pave manara-penitra, nahazo kaomisaria ny kaominina
Asa voalohany notanterahin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohidratrimo amin’ity taona ity no natomboka voalohany, ka napetraka ny vato fototra hanamboarana ny lalan-tany mirefy 1,200 km.
GROUPE THIERRY : Mitory amin’ny mozika tropikaly
Tsy voatery ny hira amin’ny gadona maka milamina sy feno toreo hatrany no hahafahana manely ny filazantsara anatin’ny kanto an-kira fa azo atao tsara ihany koa ny mampita izany anatin’ny gadona mihetsika sy mampisonenika am-pitoerana.
CEPE 2020 : Nizotra tsara ny fanombohan'ny fanadinana
Amin’ny ankapobeny dia tsy nahitana olana loatra ny fiatrehana ny fanadinana CEPE.
Azo lazaina ho milamina arak’izany ny fanatanterahan’ireo mpiadina izany na dia mbola ao anatin’ny fiatrehana ny ady amin’ny “Coronavirus” aza isika.
MAMITIANA : Mampiasa ny talentany ho amin’ny asa fitoriana
Vao teo amin’ny faha- 12 taonany i Mamitiana no efa niditra mpikambana teo anivon’ny antoko mpihiran’ny Fiangonana Loterana Malagasy, tany Sakaraha.
PASTORA JEAN PAUL RAKOTONIRINA MIVADY : Mampiara-dia ny fikoloana ny fanahy sy ny vatana
Ny Pastora Jean Paul Rakotonirina sy ny pastora Brigitte vadiny, no angady nananana sy vy nahitana ny fiangonana Rhema fanafahana International Soavimasoandro.
RAFANOMEZANTSOA JEAN NIRINA : Niala tsy ho filohan’ny fikambanana Fitrama, fa nanangana ny orinasa “Mpitsabo Malagasy Fitrama”
Nitso-drano ny dokotera Jean Pierre ny filohan’ny fikambanana Fitrama teo aloha, Rafanomezantsoa Jean Nirina mba hahaleo hahalasana ho lasa lavitra amin’ny fitsaboana izay hataony ary hijery ny tombontsoan’ny firenena miaraka amin’ireo ekipany.
FANOVANA IFOTONY : Tsy ny rafitra no olana
Miverimberina amin’ny fitakiana atao eto amintsika ny fanovàna rafitra na fanovàna ifotony tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsy hahavaha olana velively anefa ny hahatanterahan’izany amin’ny endriny iheverana azy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandinika politika sady mpandraharaha, Rakotoson Dany Herintsoa.
MPIVAROTRA KIRARO TONTA TETSY ANDRAVOAHANGY : Ramatoa 2 noratrain’ny mpiasan’ny fivondronana
Noratrain’ireo mpiasan’ny fivondronana ireo ramatoa 2 mpivarotra kiraro tonta tetsy Andravoahangy, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora 15 minitra. Efa nivarotra kiraro hatramin’ny ela teo amin’ity toerana ity, ireo mpivarotra izao nokasain’ny mpiasan’ny fivondronana nalana tamin’ny toerany izao.
