Tsy voatery ny hira amin’ny gadona maka milamina sy feno toreo hatrany no hahafahana manely ny filazantsara anatin’ny kanto an-kira fa azo atao tsara ihany koa ny mampita izany anatin’ny gadona mihetsika sy mampisonenika am-pitoerana. Ny fahatsapana izany no nanosika an’i Thierry sy ireo mpitendry zavamaneno miaraka aminy mampiasa tsy ampihambahambana ny mozikan’ny tany mafana « Mozika tropikaly » hoenti-mitory ny fahatsaran’Andriamanitra sy mamafy ny soratra masina.
Gadona mihetsika, tononkira mora raisina
Nahatsapa izahay ato anatin’ny tarika, hoy i Thierry fa voarain’ireo mpanjifa ny hafatra noraiketin’ireo tononkira izay narafitra avy amin’ny trangam-piainana andavanandro sy notakarina avy amin’ny tenin’Andriamanitra voarakitra anatin’ny baiboly. Nanamora ny fampitana ny vatsim-panahy anatin’ireo tononkira ihany koa ny nanakorisana azy ireny teo ambonin’ny gadona mihetsika toy ny salegy, tsapiky, reggae, soukouss, RnB, sns, hoy hatrany ity mpanakanto vao erotrerony amin’ny fiangaliana ny mozika mitaiza fanahy ity.
Noravahana dihy narindra mba hifanaraka amin’ny maha « mozika evanjelika » ihany koa ireo sanganasan’ny groupe Thierry mba ahafahana manome fahafinaretana ny maso ankoatra ny vatsim-panahy tovozina anatin’ireo tononkira.
Manana fanomezam-pahasoavana eo amin’ny lafiny famoronana tononkira sy feony sahaza izany i Thierry. Havanana ihany koa ny tovolahy eo amin’ny fitendrena ny aponga maroanaka sy ny gitara. Ireo samy entiny midera ny Tompo sy mampiely ny vaovao mahafaly
Amperiny amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany amin’ny endrika DVD ankehitriny i Thierry sy ireo mpiara-miombon’antopka aminy eo amin’ny sehatry ny mozika. Andran-tsira ho amin’izany ny namoahana ny vazo « Mamelà anay » narindra amin’ny ban-kira RnB. Ity farany izay efa nahababo fo mpankafy maro tokoa.
Ho an’i Thierry antso avy amin’Andriamanitra ary iraka tsy maintsy efaina ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira sy mozika ary dihy.


