CEPE 2020 : Nizotra tsara ny fanombohan'ny fanadinana

Amin’ny ankapobeny dia tsy nahitana olana loatra ny fiatrehana ny fanadinana CEPE.

Azo lazaina ho milamina arak’izany ny fanatanterahan’ireo mpiadina izany na dia mbola ao anatin’ny fiatrehana ny ady amin’ny “Coronavirus” aza isika.

Tetsy amin’ny CEG Antanimena dia niisa 2058 ireo mpiadina, ka ny 44 amin’izy ireo no tsy tonga nanao ny fanadinana. Nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany maraina ny fiantsoana anarana ireo mpianatra, ka ny taranja “Opération” no nisantarana izany. Toy ny isan-taona dia manano-sarotra ny ankizy ny taranja “problème”, nefa na dia izany ary dia hita ho vonona daholo izy ireo.

Olana anisan’ny matetika mitranga ny fanadinoana “carte d’identité” sy “convocation”. Efa nisy ny fisorohana izany teo amin’io toeram-panaovana fanadinana io.

Fepetra ara-pahasalamana

Mba ampiarana ny elanelana iray metatra izay tsy maintsy hajaina dia nozaraina tamin’ny toerana telo ireo mpiadina (CEG Antanimena, EPP Antanimena III, SFX Antanimena).

Saika voahaja daholo ireo fandaminana rehetra sy ireo fepetra “Geste Barrière” izay napetraka tao amin’ireo toerana ireo.

Ankoatra izay dia nozaraina “cache bouche” tsirairay ireo mpiadina nandritra ny fiantsoana anarana.

Vous aimerez aussi