Vao teo amin’ny faha- 12 taonany i Mamitiana no efa niditra mpikambana teo anivon’ny antoko mpihiran’ny Fiangonana Loterana Malagasy, tany Sakaraha. Io dingana voalohany io ihany koa no azo lazaina ho toy ny loharano nentin’ity mpitory filazantsara an-kira ity nanovozana ireo fahalalana fototra takian’ny fikirakirana ny hira sy mozika izay nataony vatsy sarobidy ho fanatanterahana ny asa fitoriana an-kira imatesany isanandro vaky.
Mamita iraka, milalao gadona maroloko
« Iraka avy amin’Andriamanitra no nahatonga ahy tsy hiroaroa saina ampiasa manontolo ny talentako ho amin’ny asa fitoriana, fiderana, fiankohofana ary fijoroana vavolombelona amin’ny maha tsara ny Tompo », hoy i Mamitiana. « Mandehana mitoria ny filazantsara… » Io andalan-tenin’ny soratra masina io rahateo no norasin’i Mamitiana ho teny manentana azy mandrakariva.
Ho fanamorana ny fanatanterahana izany ho an’ny Olombelona tsy ankanavaka no nahatonga an’i Mamitiana hamolaka gadona maroloko. Ampahany amin’izany ny bagasy, hiragasy, slow, techno, rock, sns.
Mahafehy ihany koa ny tenim-paritra maro manerana ny Nosy ankoatra ny malagasy ofisialy i Mamitiana izay tombon-dahiny hatrany ho azy amin’ny fanapariahana ny filazantsara eran’ny vazantany efatra. Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira notakarina avy ao anatin’ny baiboly ihany koa izy.
Ampahany amin’ireo vazo mitaiza fanahy efa voajarin’i Mamitiana ny « Malalany aho », « Misaora an’i Jehovah » ary ny vao mangotraka efa vita rindran-tsary ny « Tsisy miala eo », ity farany izay narindra amin’ny gadona « techno » sahaza ireo tanora ankehitriny.
Andalam-piketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany ho azy ankehitriny i Mamitiana sy ireo mpitendry zavamaneno miisa 05 sy feolafika 04 mpiara-miasa aminy. Mandray tsikera hanatsarana ny zava-bita i Mamitiana ary misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa hanabeazam-boho hatrany ny asa fitoriana ataony. Tsetsatsa tsy aritra no ilazana fa ankoatra an’i Mamitiana dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana ihany koa i Prisca, zanany vavy. Izy mianakavy izay samy resy lahatra fa tsara raha ampiasaina ho amin’ny fiderana sy fitoriana filazantsara ny talenta avy amin-janahary.


