DEPIOTE ZOKY ANDRY : Resy lahatra amin’ny fananganana Tanamasoandro ny vahoaka ao Imeritsiantosika

Resy lahatra tanteraka ny vahoakan’Imeritsiantosika, fa hitondra fampandrosoana betsaka ho an’ny distrika sy ny kaominina, ny faritra Itasy, ny fametrahana ny tetikasan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina momba ny Tanamasoandro, izay hatao eny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Zoky Andry voafidy tao amin’ny distrikan’Arivonimamo, dia efa nisy tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Prezidansa, ny ministera namory ireo vahoaka tany an-toerana sy tany am-potony. Tombotsoa ho an’ny kaominina sy ny distrika no apetraka, hoy ny tatitra voaray, ka naharesy  lahatra tanteraka an’ireto vahoaka ireto, fa mankasitraka ny fananganana io Tanamasoandro  io izy ireo ary hitondra fampandrosoana ny tanàna ihany koa, mba hiova endrika ny distrika sy ny kaominina. Efa nisy mpiasan’ny Topo nidina tany an-toerana. Nanamafy ny depiote Zoky Andry, fa tsy hanao botolo ny fananan’ny olona ny fanjakana, fa raha misy tanàna na/sy trano voakasiky ny fananganana, dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo olona ireo, hoy izy. Efa vonona tanteraka ireo vahoakan’Imeritsiantosika handray ity Tanamasoandro ity, hoy ny depiote nanamafy.

Vous aimerez aussi