ANOSIBE AN’ALA : Sambany hahazo polisim-pirenena ny distrika

Sambany teo amin’ny tantaran’ny distrikan’Anosibe An’Ala, faritra Alaotra Mangoro no hahazo polisim-pirenena. Napetraka ny zomà lasa teo ny vato fototra hanorenana ity biraon’ny polisim-pirenena ity, izay ahitana efitra 3 lehibe. Nambaran’ny tale-paritry ny filaminana Alaotra Mangoro, dia noho ny fangatahany biraon’ny polisy nataon’izy ireo, dia namaly ny hetahetan’izy ireo ny fitondram-panjakana, ka izao natomboka izao ny asa fananganana. Haharitra 135 andro ny faharetan’ny fanamboarana.  Ezaka hatao ny hampandriana fahalemana ao amin’ny distrika, izay nirongatra sy nahazo vahana teo aloha. Tonga nametraka ny vato fototry ny fananganana ny biraon’ny polisy, ny tale-paritry ny filaminana, ny depiote voafidy tany an-toerana, ny solotenan’ny governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, ny lehiben’ny distrika, ny Ben’ny tanàna natrehan’ny manamboninahitra sivily sy miaramila ity lanonana ity.

Vous aimerez aussi