Asa voalohany notanterahin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohidratrimo amin’ity taona ity no natomboka voalohany, ka napetraka ny vato fototra hanamboarana ny lalan-tany mirefy 1,200 km. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, atoa Raherimanantsoa Feno, fa lavaka, ratsy ity lalana ity ary nampitaraina ny vahoaka tao Ambohidratrimo. Niezaka nitady ireo mpamatsy vola ny Ben’ny tanàna, ka natao ny alakamisy ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa ary napetraka tamin’io koa ny vato fototra hananganana ny lalana, izay miainga eo amin’ny “Station Shell” ka hatreny amin’ny fokontany Ambohitsiroa. 2 volana ny faharetan’ny fanamboarana ary vola mitentina 1 miliara 500 tapitrisa ny vola natokana hanamboarana ny lalana. Ny Université d’Ambohidratrimo no mpamatsy vola nanangana io lalana io. Maro ny tombotsoa azo amin’ity lalana hatao pave ity, hoy ny Ben’ny tanàna, satria mampitohy ny kaominina 2 dia kaominina Ivato sy Talatamaty ny lalana ary tonga hatrany amin’ny “Bout de piste”. Voalazany, fa hanamora ny fivezivezen’ny fifamoivoizana ny fahavitan’ity lalana ity ary orinasa lehibe no hahazo tombotsoa, ka anisan’izany ny orinasa mpanao sôkolà, lamba, mpanao fiara, sns. Efa vita ihany koa ny fifanarahana mikasika ny lalana ratsy ao amin’ny Rovan’Ambohidratrimo ary tsy maintsy vita amin’ity taona ity, io lalana io, hoy ny Ben’ny tanàna. Efa miroso koa ny fanamborana ny RN4, ny kojakoja amin’izany ny an’ny koaminina, fa ny fanjakana no manamboatra azy tanteraka, hoy izy. Hamaha tanteraka ny olan’ny fifamoivoizana ny fanamboarana ny lalana rehetra ao amin’ny kaominina, hoy ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna raha nametraka ny vato fototry ny fanamboarana. Ankoatra izay, napetraka ny alakamisy ihany koa ny vato fototra hanamboarana ny biraon’ny kaomisaria ao Ambohidratrimo. Nambaran’ny tale jeneralin’ny polisy, fa manamafy ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fampanjakana ny filaminana ary fanakaikezana ny vahoaka dia ho resy tosika ny mpanao ratsy. Haharitra 4 volana ny fanamboarana ity biraon’ny kaomisaria ity izay ahitana efitra 14 sy biraon’ny kaomisera. Anisan’ny biraon’ny kaomisaria 24 apetraka amin’ity taona ity, ity kaomisaria hatao ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ity. Mandeha ny fanamboarana ny lalana, ny fanabeazana mitohy, ny fandriampahalemana milamina amin’ny alalan’ny kaomisaria sy ny zandarimaria. Tonga nametraka ny vato fototr’ireo asa ireo ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny rekteran’ny Université d’Ambohidratrimo izay mpamatsy vola, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny “Assistant parlementaire” ny depiote 2 voafidy tao Ambohidratrimo ary miaramila sivily sy ireo manambonihanitra sivily sy miaramila ary ny vahoaka tao an-toerana.


