HAINTRANO TETSY ANOSIBE : Nanolotra sakafo sy fitafiana ho an’ireo traboina ny “Association La Charité de Madagascar”

Tsy mitsahatra ny asa sosialy hataon’ny « Association La Charité de Madagascar » ary mbola mitohy izany. Araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, atoa  Zouber Assenjee, dia tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny haintrano nitranga tetsy Anosibe andrefana II ny fikambanana, ka olona miisa 261 no notoloran’ny fikambanana vary, fitafiana tamin’ny balle friperie, sceaux, pots, koveta, zinga, mofo dipaina, ranomboankazo, biscuit, arotava no natolotry ny fikambanana, ny zomà lasa teo. Notrononin’ny delegen’ny Boriborintany faha efatra sy ny lefiny, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny ELS, ny BNGRC nosoloin’atoa Paolo Raholinarivo  Solonavalona, ny sefo fokontany, ny solotenan’ny ministeran’ny mponina ary ny filohan’ny “Association La Charité de Madagascar” ny fanomezana fanampiana. Amin’ity herinandro ity kosa dia mbola hanolotra kahie, penina, kitapo ho an’ireo  ankizy miisa 89 izay traboina vokatry ny haintrano ny fikambanana. Nambaran’ny filohan’ny  fikambanana, fa tsy anavahana finoana ny fanampiana hataon’izy ireo. Tsy manao politika ny fikambanana, fa an-tsitrapo no nanaovana izao fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana izao, hoy ny filohany Zouber Assenjee. Marihana fa miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanana, hoy hatrany izy. Nanaraka  ny tenin’ny Filohampirenena ny fikambanana hoe  “acte la charité de développement” dia nanatanteraka izany izy ireo. Sahirana no ampiana, hoy ny fikambanana ka am-pitiavana no nanolorana izany. Mbola miantso ireo mpanohana sy/na mahalala-tanana na “donateur”  nanohana ny fikambanana “La Charité de Madagascar” toa ny “Al Hajj Sabir Molou (Pharmarcie Principal), Al Hajj Asfak (Walimamod) ary Al  Hajj Zoher Jivan (New Past)” ny filohan’ny fikambanana ary manao antso avo ho an’ireo izay afaka manampy koa. Nankasitraka ny fikambanana kosa ny delege sy ireo mpiara-miasa taminy ary ny BNGRC. Nilaza kosa atoa Paolo Raholinarivo Solonavalona, fa ireo olona rehetra izay may trano tetsy Anosibe Andrefana II, dia maimai-poana ny fanamboarana ny karapanondro sy ny kopian’izy ireo, satria levon’ny afo. Amin’ny volana Febroary ho avy izao dia hanatitra sakafo ho an’ireo olona tratry ny kere any Ambovombe Andrôy ny fikambanana “Association La Charité de Madagascar”.

Vous aimerez aussi