HAFARI – GAKAMA – FITRAMA : Handray andraikitra sy hijoro ho vahaolana ho an’ny firenena

Difotra ao anaty fahasimbana goavana ny firenena Malagasy, ny fahantrana mihalalina, ny fisolokiana miseho amin’ny endriny samy hafa, ny heloka mamoafady ary heloka bevava isan-karazany. Manjaka tanteraka ny fizarazarana sy fifandrangitana nandritra ny taona maro. Maro ireo tokantrano no tsy manana asa sy tsy manan-tsakafo, simba ny tontolo iainana sy ny soatoavina Malagasy, tsy mandray andraikitra ny fokonolona fa miraviravy tanana amin’ny fampandrosoana. Aoka anefa tsy hisy hanadino fa firenena manankarena sy miavaka ary mbola malalaka i Madagasikara izay manana soatoavina lehibe sy miavaka nentina mandamina ny fiaraha-monina sy ny toe-karena ary sosialy teto amin’ny firenena. Nanaja ny tontolo iainana ary mametraka lova ho an’ny taranaka ireo razantsika ary afaka hampiakarana ny harin-karena sy fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny velaran-tany midadasika eto amintsika. Tsapa ny ezaka hataon’ny filohampirenena Andry Rajoelina amin’ny fampandrosoana ny firenena nefa tsapa koa ireo mialà andraikitra. Noho izany, ny fiarahamonim-pirenena, ny Gasy Ka Mahery na GAKAMA, sy ny Hery sy Andry Fiarovana Antsika Rehetra Iombonana na HAFARI ary ny FITRAMA dia mijoro hanetry tena sy haneho fitiavan-tanindrazana ary hiantso ny firaisankina Malagasy manontolo hamerina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao Malagasy ary miantso ny rehetra hamorona asa amin’ny tany hamelomana ny ankohonany sy hanavotana ny firenena, handray andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Manana tetikady amin’izany ny GAKAMA, ny Hafari Malagasy ary ny Fitrama fa mangataka fihaonana amin’ny Filohampirenena ary ilaina fametrahana andraikitry ny fokonolona amin’ny fampandrosoana ny firenena ary famoronana asa goavana amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana. Natrehan’ireo mpikambana 3 tonta rehetra moa ity fihaonana tamin’ny alakamisy ity.

Vous aimerez aussi