Miverimberina amin’ny fitakiana atao eto amintsika ny fanovàna rafitra na fanovàna ifotony tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsy hahavaha olana velively anefa ny hahatanterahan’izany amin’ny endriny iheverana azy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandinika politika sady mpandraharaha, Rakotoson Dany Herintsoa.
« Mila fanovàna ny firenena saingy tsy ahafahany mandroso ny karazam-panovàna takin’ny mpanao politika hatramin’izay », hoy i Rakotoson Dany Herintsoa, omaly. Nodisoiny ny fitakiana fanovàna rafitra satria mifanaraka amin’ny ilaina ny efa mijoro fa ny olona hampiasa azy no tsy natao ho amin’izany. Nambarany fa fitadiavan-toerana fotsiny io fitakiana fanovàna rafitra io satria tsy hahomby raha mbola tsy miova ny hiandraikitra azy. « Tsy fantatr’ireo hitantana ny rafitra akory ny fomba hampiasany azy satria tsy voaomana amin’izany izy fa kisendrasendra vokatry ny fahefana ara-bola na fahaiza-miresaka sy hafetsena no nahatongavany teo », hoy izy.
Vahaolana narosony ny hanadiovana ny seha-pitondrana mba ho voatokana ho an’ireo mahafehy ny asa ny andraikitra ho raisiny. Isan’ny fepetra ahatongavana amin’io ny fanadiovana ny sehatra politika ka hampikambanana azy rehetra anatin’ny vondrona roa na telo araky ny firehan-keviny ary avy amin’ireo no hivoahan’ny mpitondra isan’ambaratongany. Adidin’ny fitondrana kosa ny fanohanana azy ireo amin’ny famolavolana ara-poto-kevitra ny olony, hanomanany azy ho mpitondra mahay hisorohana ny fitondrana kianjoanjo, araky ny hevitr’ity mpandalina politika ity.
Samy mila fanadiovana daholo, noho izany, na ny ao anaty fitondrana na ny ety ivelany, hoy i Rakotoson Dany Herintsoa, mba hahafahantsika milahatra amin’ny firenena rehetra mivoatra amin’izao vaninandro ilana mpitondra mahafehy politika izao.


