MPIVAROTRA KIRARO TONTA TETSY ANDRAVOAHANGY : Ramatoa 2 noratrain’ny mpiasan’ny fivondronana

Noratrain’ireo mpiasan’ny fivondronana  ireo ramatoa 2 mpivarotra kiraro tonta tetsy Andravoahangy, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora 15 minitra. Efa nivarotra kiraro hatramin’ny ela teo amin’ity toerana ity, ireo mpivarotra izao nokasain’ny mpiasan’ny fivondronana nalana tamin’ny toerany izao. Miisa 7 teo ireo trano eva nivarotra  kiraro no niharan’ny antsojain’ireto mpiasan’ny kaominina ireto.

Araka ny fanazavan’izy ireo dia talohan’ny fetim-pirenena ny 26 Jona teo, dia noteren’ireto mpiasan’ny fivondronana ireto nandoa vola  3.500.000 iraimbilanja ireto mpivarotra izay vao afaka mivarotra. Voaloa ny vola ary afaka nivarotra izy ireo, nefa dia izao noravan’ny mpiasan’ny fivondronana izao ny tsenan’izy ireo. Tezitra ireo ramatoa mpivarotra, ka nanala ireo mpiasan’ny kaominina mba tsy handrava ny trano vy sy ny kiraro namidy, ka nahatonga izay fikasihan-tanana izay. Amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ve dia mbola tsy havela hivarotra ihany izahay ?, hoy ireto mpivarotra, inona no hohanina, sns, kanefa tokony hifampitsinjo sy hifampijery amin’izao krizy misy eto amin’ny firenena izao, hoy hatrany izy ireo. Norahonan’ireto mpiasan’ny CUA ireto, ireo mpivarotra, fa tsy mahazo mivarotra eo intsony manomboka rahampitso talata, fa raha mbola miziriziry,  dia ny polisy sy zandary no manala azy ireo. Marihana, hoy ireto mpivarotra, fa misy ireo esorina amin’ny toerana ary misy ny tsy kitihana fa avela hivarotra malalaka. Andrasana ny tohin’ny hetsika hataon’izy ireo amin’ity anio ity.

Vous aimerez aussi