Nitso-drano ny dokotera Jean Pierre ny filohan’ny fikambanana Fitrama teo aloha, Rafanomezantsoa Jean Nirina mba hahaleo hahalasana ho lasa lavitra amin’ny fitsaboana izay hataony ary hijery ny tombontsoan’ny firenena miaraka amin’ireo ekipany. Nanangana ny Orinasa “Mpitsabo Malagasy Fitrama” kosa Rafanomezantsoa Jean Nirina miaraka amin’ireo mpiara-dia sy ny mpiasa ao aminy ary hijery ny maha olona azy ireo amin’ny fampidirana Cnaps sy Ostie ireo mpiasa. Araka ny fanazavany, dia hiditra amin’ny maha mahatihanina sy ho ara-dalàna ara-panjakana ny orinasa Mpitsabo Malagasy Fitrama, ary volany madiodio no nananganany ny orinasany, fa tsy misy hidiran’ny dokotera Jean Pierre mihitsy izany. Nanao antso avo an’ity farany ihany koa atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, mba tsy haka ireo fitaovana sy etikety ampiasainy, fa izy tenany no namorona sy nanao izany, ary mampitandrina ireo ekipan’ny dokotera mba tsy haka izany. Nohamafisin’ny filohan’ny orinasa Malagasy Fitrama kosa, fa tsy mpitsabo tao amin’ny fikambanana Fitrama akory ny dokotera Jean Pierre, fa nampiofana ireo mpiasa tao aminy. Ankilany izay, dia nofitahan’ity dokotera sy ireo mpiara-dia aminy ihany koa ireo mpiasa ary nolazaina fa hasondrotra avo 2 heny ny karaman’izy ireo, nefa tsy niakatra izany, ka nahatonga ireo mpiasa niala tao aminy.
Tsy ho very mpihavana
« Tsy ho very ho mpihavana izahay », hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Mpizodahy izaho sy dokotera Jean Pierre, ka na nisy aza ny olana dia niezaka nifampiresaka ny roa tonta ary dia niravona izany, hoy izy. Ny tany misy olobe tsy miady, ka teo ireo ray aman-dreny izay nampihavana sy nanelanelana azy mirahalahy ireo. Teo ankilany izay anefa ireo mpanatsatso sy mpanipy hoditra akondro an’ny dokotera Jean Pierre sy mpaka 19 ary ny mpitady tombontsoa, ka nahatonga ny fanambarana izay natao ny zomà lasa teo, fa nalana tsy ho filohan’ny Fikambanana Tradisionela Malagasy na FITRAMA intsony, atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina noho ny famoaham-bola tsy ara-dalàna, fandemen-tsaina ny mpiasa sy ny fitenanana ratsy, sns, ka antony nanesorana azy tsy ho filoha. Niezaka ny nitady ny marimaritra iraisana atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, saingy, ireo olona manodidina ny dokotera Jean Pierre no nandà hatramin’ny farany. Vaky ny ady, hoy izy ireo ary tsy misy intsony ny fifampiraharahana, nefa ny zomà hariva sy ny sabotsy teo dia nisy ny marimaritra niraisana teo amin’izy mirahalahy. Ho an’ireo rehetra izay tsy tia kosa, hoy ny filohan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy Fitrama, dia vonona hiverina sy hiditra ny varavaran’ny tranoko ve izy ireo?. Vonona ny handray azy ireo hatrany aho, hoy izy ary tsy misy ny olana, fa isaorako an’Andriamanitra ireny zava-nitranga ireny, hoy hatrany izy. Tsy maintsy hentitra sy henjana kosa anefa ny filoha amin’ny fitantanana izay hatao. Nohamafisin’ny filohan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy Fitrama kosa, fa ho jerena ny fampidinana ny vidim-panafody.


