Ratolonjatovo Fredson Ernest, no tena anaran’ny tovolahy. Mitondra ny solonarana hoe : Fred’son kosa izy ao anatin’ny habaky ny hira mitaiza fanahy « Vazo evanjelika ».
Manavia manavanana amin’ny lafiny famoronana hira, fitendrena zavamaneno toy ny gitara ary ny fandrindrana amin’ny ankapobeny ny fitantanana tarika i Fred’son.
Efa mpikambana teo anivon’ny tarika Feo Fitiavana izy. Ny faran’ny taona 2017 no nandao ny tarika ny lehilahy ary nikopak’elatra irery nanohy ny fitaizana sy fikoloana ny fanahin’ny isam-batan’olona amin’ny alalan’ny fiangaliana hira evanjelika.
Maro ireo fiangonana sy fikambanana no efa nandrary fiaraha-miasa amin’ny tarika hatramin’ny taona 2018.
Milalao gadona maroloko, efa manana kapila mangirana
Anisan’ny tombon-dahiny ho an’ny tarika Fred’son ankehitriny ny fahafehezany mamolaka ireo gadon-kira maro misy eto ambany masoandro toy ny maka milamina sy ny mihetsika. Tsy maintsy natao izany, hoy i Fred’son hahafahana mitarika sokajin’olona maro hiditra am-balan’ny Ray tsitoha. Noezahana ho tsara rafitra ary amin’ny endrika tsotra nefa kanto ihany koa ny nandrindrana ireo hira, hoy hatrany Fred’son ho voninahitr’Andriamanitra.
Ny volana aprily n’ny taona 2019 dila teo iny no namoahan’ny tarika ny kapila mangirana voalohany amin’ny endrika rakitsary izay nahitana rindran-tsary miisa 11. Anisan’ny voarakitra anatin’izany ny “hafaliana », « Ifonako ».
Ankehitriny na ao anatin’ny fihibohana aza noho ny hamehana ara-pahasalamana, miezaka manatosaka ireo sanganasany hatrany i Fred’son ho fampaherezana ny rehetra hifikitra amin’ny finoana sy ny fanarahan-dia ny Tompo. Ampahany amin’ireo vazony efa be mpankafy ny « Mpandresy », « Voadiko », « Haleloia »…
Nanamafy hatrany Ratolonjatovo Fredson Ernest fa azo hanovozana aim-panahy sy angovo mampitombo ny finoana ny fihainoana ireo hira evanjelika raha toa ka mahafeno ny vala famaritan’ny atao hoe : « Kanto » izy ireny. Mitohy ny lalana ho an’i Fred’son !


