Tsy mbola mitsaha-mitombo ny isan’ny mitondra ny tsimokaretina eto Antananarivo. Ny 252 tamin’ireo 263 voatily vaovao androany manko dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Vitsivitsy avy kosa no hita tamin’ny Faritra hafa, toa an’Atsinanana, Matsiatra Ambony, Ihosy,…Mitontaly 551 moa ny fitiliana nahitana azy ireo.
Miakatra ho 5 343 izany no voa hatrizay.
152 kosa no sitrana, ka maro tamin’izy ireo no nanao fitsaboana tany an-tokantrano. Miisa 2 646 kosa ny sitrana hatrizay.
2 658 kosa ireo mbola tsaboina, ka 45 no isan’ireo manana fahasarotana ara-pahasalamana, izay 42 no eto andrenivohitra, 2 ao Antsirabe ary 1 any Toliary.
2 kosa no nindaosin’ny fahafatesana, ka ny 1 teto Antananarivo, ny 1 tao Antsirabe.
30 100 kosa no isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.
Mbola ho ela
Mbola ho ela ny iainana ity coronavirus ity, hoy ny manampahaizana mpandalina. Tsy ho voafehy vetivety, araka ny tombana ataon’ny sasany io na dia izany aza no fanirian’ny maro.
Noho izany, ny fahaiza-miaina miaraka aminy no tena zava-dehibe dia ny fitandremana fototra. Anisan’izany ny fanaovana sarontava, ny fielanelanana iray metatra ary ny fanasana tànana matetika. Rehefa ireo no voatandrina dia tsy hihanaka loatra ny tsimokaretina.


