Nodimandry teo amin’ny faha-58 taonany ny Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) amperinasa, ny Pastora Dr. Rakotonirina David.
Tontosa ny Alahady teo, ny fandevenana azy, tetsy amin’ny tokotanin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), etsy Ambatovinaky.
Ankoatra ny maha-Filohan’ny FLM azy dia izy koa no Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (na FFPM).
Tany Morondava moa izy no tsy salama raha nitarika fivoriana tao amin’ny FLM Mahamanina. Nakarina tamin’ny fiaramanidina teto an-drenivohitra izy ka notsaboina tao amin’ny Poliklinika Ilafy, kanefa tsy tana ny ainy.
Ny tatitra mikasika ny fivoaran’ny tsimokaretina coronavirus isan’andro no nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa lavon’ity valanaretina ity koa ny Pastora.
Tao amin’ny fasan’ny Misionera, eo antokotanin’ny FLM Ambatovinaky moa no nalevina ny nofo mangatsikany.
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia miombona alahelo ary mampitraka ny ankohonany sy ny fianakaviamben’ny FLM.


